Skip to content
Church.wiki
Job

Job 35

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:Select Job 35:1

2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra?Select Job 35:2

3Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako?Select Job 35:3

4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao.Select Job 35:4

5Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.Select Job 35:5

6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?Select Job 35:6

7Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao?Select Job 35:7

8Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao.Select Job 35:8

9Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery,Select Job 35:9

10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,Select Job 35:10

11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina?Select Job 35:11

12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.Select Job 35:12

13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.Select Job 35:13

14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.Select Job 35:14

15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?Select Job 35:15

16Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.Select Job 35:16

Next: Job 36Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.