Job 37
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.Select Job 37:1
2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.Select Job 37:2
3Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.Select Job 37:3
4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.Select Job 37:4
5Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.Select Job 37:5
6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.Select Job 37:6
7Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;Select Job 37:7
8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.Select Job 37:8
9Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.Select Job 37:9
10Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.Select Job 37:10
11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;Select Job 37:11
12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,Select Job 37:12
13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.Select Job 37:13
14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.Select Job 37:14
15Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?Select Job 37:15
16Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?Select Job 37:16
17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,Select Job 37:17
18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?Select Job 37:18
19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,Select Job 37:19
20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?Select Job 37:20
21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.Select Job 37:21
22Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.Select Job 37:22
23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.Select Job 37:23
24Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.Select Job 37:24
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain