Job 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:Select Job 4:1
2Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?Select Job 4:2
3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;Select Job 4:3
4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinaoSelect Job 4:4
5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianaoSelect Job 4:5
6Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao?Select Job 4:6
7Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?Select Job 4:7
8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.Select Job 4:8
9Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.Select Job 4:9
10Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana;Select Job 4:10
11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.Select Job 4:11
12Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,Select Job 4:12
13Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,Select Job 4:13
14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.Select Job 4:14
15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.Select Job 4:15
16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:Select Job 4:16
17Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?Select Job 4:17
18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.Select Job 4:18
19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;Select Job 4:19
20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.Select Job 4:20
21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.Select Job 4:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain