Skip to content
Church.wiki
Job

Job 40

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:Select Job 40:1

2Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!Select Job 40:2

3Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:Select Job 40:3

4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.Select Job 40:4

5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.Select Job 40:5

6Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:Select Job 40:6

7Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:Select Job 40:7

8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?Select Job 40:8

9Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?Select Job 40:9

10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;Select Job 40:10

11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.Select Job 40:11

12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.Select Job 40:12

13Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.Select Job 40:13

14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.Select Job 40:14

15He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.Select Job 40:15

16Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.Select Job 40:16

17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny fenySelect Job 40:17

18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.Select Job 40:18

19Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.Select Job 40:19

20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;Select Job 40:20

21Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.Select Job 40:21

22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azySelect Job 40:22

23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.Select Job 40:23

24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?Select Job 40:24

25Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?Select Job 40:25

26Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?Select Job 40:26

27Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?Select Job 40:27

28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?Select Job 40:28

29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?Select Job 40:29

30Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?Select Job 40:30

31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?Select Job 40:31

32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.Select Job 40:32

Next: Job 41Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.