Skip to content
Church.wiki
Job

Job 42

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:Select Job 42:1

2Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.Select Job 42:2

3Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.Select Job 42:3

4Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.Select Job 42:4

5Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;Select Job 42:5

6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.Select Job 42:6

7Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.Select Job 42:7

8Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.Select Job 42:8

9Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’ i Joba.Select Job 42:9

10Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.Select Job 42:10

11Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’ i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.Select Job 42:11

12Ary Jehovah nitahy ny niafaran’ i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’ osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.Select Job 42:12

13Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,Select Job 42:13

14ka ny anaran’ ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran’ ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran’ ny faravavy Kerena-hapoka.Select Job 42:14

15Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’ i Joba hita tany amin’ ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ ny anadahiny izy.Select Job 42:15

16Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’ izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ ny zafin-dohaliny aza.Select Job 42:16

17Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.Select Job 42:17

Next: Psalms 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.