Job 5
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?Select Job 5:1
2Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.Select Job 5:2
3Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;Select Job 5:3
4Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;Select Job 5:4
5Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fanananySelect Job 5:5
6Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,Select Job 5:6
7Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatraSelect Job 5:7
8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,Select Job 5:8
9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,Select Job 5:9
10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,Select Job 5:10
11Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,Select Job 5:11
12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;Select Job 5:12
13Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;Select Job 5:13
14Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;Select Job 5:14
15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.Select Job 5:15
16Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bavaSelect Job 5:16
17Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;Select Job 5:17
18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.Select Job 5:18
19Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.Select Job 5:19
20Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy;Select Job 5:20
21Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;Select Job 5:21
22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;Select Job 5:22
23Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;Select Job 5:23
24Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;Select Job 5:24
25Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany;Select Job 5:25
26Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana.Select Job 5:26
27Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.Select Job 5:27
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain