Skip to content
Church.wiki
Job

Job 6

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 6:1

2Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!Select Job 6:2

3Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.Select Job 6:3

4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.Select Job 6:4

5Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany?Select Job 6:5

6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?Select Job 6:6

7Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.Select Job 6:7

8Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko!Select Job 6:8

9Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,Select Job 6:9

10Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.Select Job 6:10

11Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?Select Job 6:11

12Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?Select Job 6:12

13Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?Select Job 6:13

14Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.Select Job 6:14

15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,Select Job 6:15

16Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala;Select Job 6:16

17Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy;Select Job 6:17

18Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.Select Job 6:18

19Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;Select Job 6:19

20Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.Select Job 6:20

21Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.Select Job 6:21

22Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo,Select Job 6:22

23Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha?Select Job 6:23

24Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.Select Job 6:24

25Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?Select Job 6:25

26Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.Select Job 6:26

27Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.Select Job 6:27

28Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.Select Job 6:28

29Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.Select Job 6:29

30Moa misy heloka va eo amin’ ny lelako?Select Job 6:30

Next: Job 7Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.