Skip to content
Church.wiki
Job

Job 8

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:Select Job 8:1

2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?Select Job 8:2

3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?Select Job 8:3

4Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.Select Job 8:4

5Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.Select Job 8:5

6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,Select Job 8:6

7Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.Select Job 8:7

8Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razanySelect Job 8:8

9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);Select Job 8:9

10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?Select Job 8:10

11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?Select Job 8:11

12Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.Select Job 8:12

13Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,Select Job 8:13

14Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.Select Job 8:14

15Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.Select Job 8:15

16Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;Select Job 8:16

17Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;Select Job 8:17

18Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.Select Job 8:18

19Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.Select Job 8:19

20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;Select Job 8:20

21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.Select Job 8:21

22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.Select Job 8:22

Next: Job 9Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.