Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 21

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.Select Isaiah 21:1

2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.Select Isaiah 21:2

3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.Select Isaiah 21:3

4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.Select Isaiah 21:4

5Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!Select Isaiah 21:5

6Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.Select Isaiah 21:6

7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;Select Isaiah 21:7

8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina;Select Isaiah 21:8

9Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.Select Isaiah 21:9

10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.Select Isaiah 21:10

11Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?Select Isaiah 21:11

12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.Select Isaiah 21:12

13Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita.Select Isaiah 21:13

14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;Select Isaiah 21:14

15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.Select Isaiah 21:15

16Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara;Select Isaiah 21:16

17Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.Select Isaiah 21:17

Next: Isaiah 22Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.