Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 38

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.Select Isaiah 38:1

2Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’ i JehovahSelect Isaiah 38:2

3hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.Select Isaiah 38:3

4Dia tonga tamin’ Isaia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Isaiah 38:4

5Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,Select Isaiah 38:5

6sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.Select Isaiah 38:6

7Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:Select Isaiah 38:7

8Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.Select Isaiah 38:8

9Ny teny nosoratan’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ ny aretiny:Select Isaiah 38:9

10Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa.Select Isaiah 38:10

11Hoy izaho: Tsy mba hahita an’ i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an’ i Jehovah ao amin’ ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ ny mponina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.Select Isaiah 38:11

12Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.Select Isaiah 38:12

13Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain’ ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.Select Isaiah 38:13

14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.Select Isaiah 38:14

15Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin’ ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian’ ny aiko.Select Isaiah 38:15

16Tompo ô, izany no iveloman’ ny olona, ary amin’ izany tokoa no iainan’ ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.Select Isaiah 38:16

17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.Select Isaiah 38:17

18Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midìna any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao.Select Isaiah 38:18

19Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.Select Isaiah 38:19

20Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ i Jehovah izahay Amin’ ny andro rehetra iainanay.Select Isaiah 38:20

21Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy, ary apetaho amin’ ny vay izany, mba ho sitrana izy.Select Isaiah 38:21

22Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon’ i Jehovah aho?Select Isaiah 38:22

Next: Isaiah 39Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.