Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 52

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.Select Isaiah 52:1

2Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.Select Isaiah 52:2

3Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.Select Isaiah 52:3

4Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.Select Isaiah 52:4

5Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.Select Isaiah 52:5

6Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.Select Isaiah 52:6

7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!Select Isaiah 52:7

8Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.Select Isaiah 52:8

9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.Select Isaiah 52:9

10Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.Select Isaiah 52:10

11Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.Select Isaiah 52:11

12Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.Select Isaiah 52:12

13Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.Select Isaiah 52:13

14Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),Select Isaiah 52:14

15Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.Select Isaiah 52:15

Next: Isaiah 53Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.