Isaiah 59
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Indro, ny tànan’ i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;Select Isaiah 59:1
2Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.Select Isaiah 59:2
3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.Select Isaiah 59:3
4Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.Select Isaiah 59:4
5Mikotrika ny atodin’ ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.Select Isaiah 59:5
6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.Select Isaiah 59:6
7Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.Select Isaiah 59:7
8Ny lalan’ ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.Select Isaiah 59:8
9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.Select Isaiah 59:9
10Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny maizimaizina isika, ary eo amin’ ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.Select Isaiah 59:10
11Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.Select Isaiah 59:11
12Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,Select Isaiah 59:12
13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.Select Isaiah 59:13
14Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.Select Isaiah 59:14
15Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom’ ny sasany. Ary hitan’ i Jehovah ny tsi-fisian’ ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;Select Isaiah 59:15
16Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.Select Isaiah 59:16
17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.Select Isaiah 59:17
18Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ ny fahavalony, famaliana ho an’ ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.Select Isaiah 59:18
19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.Select Isaiah 59:19
20Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ ny Jakoba izay miala amin’ ny fahadisoana, hoy Jehovah.Select Isaiah 59:20
21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.Select Isaiah 59:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain