Proverbs 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:Select Proverbs 1:1
2Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;Select Proverbs 1:2
3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;Select Proverbs 1:3
4Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.Select Proverbs 1:4
5Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;Select Proverbs 1:5
6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.Select Proverbs 1:6
7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.Select Proverbs 1:7
8Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;Select Proverbs 1:8
9Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.Select Proverbs 1:9
10Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.Select Proverbs 1:10
11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;Select Proverbs 1:11
12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;Select Proverbs 1:12
13Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;Select Proverbs 1:13
14Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:Select Proverbs 1:14
15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;Select Proverbs 1:15
16Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.Select Proverbs 1:16
17Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.Select Proverbs 1:17
18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.Select Proverbs 1:18
19Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.Select Proverbs 1:19
20Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;Select Proverbs 1:20
21Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:Select Proverbs 1:21
22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?Select Proverbs 1:22
23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.Select Proverbs 1:23
24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;Select Proverbs 1:24
25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:Select Proverbs 1:25
26Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.Select Proverbs 1:26
27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,Select Proverbs 1:27
28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.Select Proverbs 1:28
29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,Select Proverbs 1:29
30Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,Select Proverbs 1:30
31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.Select Proverbs 1:31
32Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.Select Proverbs 1:32
33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.Select Proverbs 1:33
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain