Proverbs 10
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.Select Proverbs 10:1
2Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.Select Proverbs 10:2
3Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 10:3
4Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.Select Proverbs 10:4
5Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.Select Proverbs 10:5
6Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 10:6
7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 10:7
8Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.Select Proverbs 10:8
9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.Select Proverbs 10:9
10Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.Select Proverbs 10:10
11Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 10:11
12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.Select Proverbs 10:12
13Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.Select Proverbs 10:13
14Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.Select Proverbs 10:14
15Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.Select Proverbs 10:15
16Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 10:16
17Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.Select Proverbs 10:17
18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.Select Proverbs 10:18
19Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.Select Proverbs 10:19
20Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.Select Proverbs 10:20
21Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.Select Proverbs 10:21
22Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.Select Proverbs 10:22
23Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.Select Proverbs 10:23
24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.Select Proverbs 10:24
25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.Select Proverbs 10:25
26Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.Select Proverbs 10:26
27Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.Select Proverbs 10:27
28Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.Select Proverbs 10:28
29Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.Select Proverbs 10:29
30Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.Select Proverbs 10:30
31Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.Select Proverbs 10:31
32Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.Select Proverbs 10:32
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain