Proverbs 13
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.Select Proverbs 13:1
2Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.Select Proverbs 13:2
3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.Select Proverbs 13:3
4Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.Select Proverbs 13:4
5Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.Select Proverbs 13:5
6Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.Select Proverbs 13:6
7Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.Select Proverbs 13:7
8Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.Select Proverbs 13:8
9Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.Select Proverbs 13:9
10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.Select Proverbs 13:10
11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.Select Proverbs 13:11
12Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.Select Proverbs 13:12
13Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.Select Proverbs 13:13
14Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.Select Proverbs 13:14
15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.Select Proverbs 13:15
16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;Select Proverbs 13:16
17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.Select Proverbs 13:17
18Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.Select Proverbs 13:18
19Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.Select Proverbs 13:19
20Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.Select Proverbs 13:20
21Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.Select Proverbs 13:21
22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.Select Proverbs 13:22
23Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.Select Proverbs 13:23
24Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.Select Proverbs 13:24
25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 13:25
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain