Proverbs 20
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.Select Proverbs 20:1
2Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,Select Proverbs 20:2
3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.Select Proverbs 20:3
4Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.Select Proverbs 20:4
5Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,Select Proverbs 20:5
6Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?Select Proverbs 20:6
7Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.Select Proverbs 20:7
8Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.Select Proverbs 20:8
9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?Select Proverbs 20:9
10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.Select Proverbs 20:10
11Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.Select Proverbs 20:11
12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.Select Proverbs 20:12
13Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.Select Proverbs 20:13
14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.Select Proverbs 20:14
15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.Select Proverbs 20:15
16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.Select Proverbs 20:16
17Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.Select Proverbs 20:17
18Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.Select Proverbs 20:18
19Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.Select Proverbs 20:19
20Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.Select Proverbs 20:20
21Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.Select Proverbs 20:21
22Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.Select Proverbs 20:22
23Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.Select Proverbs 20:23
24Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?Select Proverbs 20:24
25Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.Select Proverbs 20:25
26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.Select Proverbs 20:26
27Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.Select Proverbs 20:27
28Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.Select Proverbs 20:28
29Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.Select Proverbs 20:29
30Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.Select Proverbs 20:30
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain