Proverbs 21
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.Select Proverbs 21:1
2Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.Select Proverbs 21:2
3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.Select Proverbs 21:3
4Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.Select Proverbs 21:4
5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.Select Proverbs 21:5
6Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.Select Proverbs 21:6
7Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.Select Proverbs 21:7
8Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.Select Proverbs 21:8
9Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.Select Proverbs 21:9
10Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.Select Proverbs 21:10
11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.Select Proverbs 21:11
12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.Select Proverbs 21:12
13Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.Select Proverbs 21:13
14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.Select Proverbs 21:14
15Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.Select Proverbs 21:15
16Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.Select Proverbs 21:16
17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.Select Proverbs 21:17
18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.Select Proverbs 21:18
19Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.Select Proverbs 21:19
20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.Select Proverbs 21:20
21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.Select Proverbs 21:21
22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.Select Proverbs 21:22
23Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.Select Proverbs 21:23
24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.Select Proverbs 21:24
25Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;Select Proverbs 21:25
26Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.Select Proverbs 21:26
27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.Select Proverbs 21:27
28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.Select Proverbs 21:28
29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.Select Proverbs 21:29
30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.Select Proverbs 21:30
31Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.Select Proverbs 21:31
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain