Proverbs 22
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.Select Proverbs 22:1
2Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.Select Proverbs 22:2
3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.Select Proverbs 22:3
4Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.Select Proverbs 22:4
5Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.Select Proverbs 22:5
6Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.Select Proverbs 22:6
7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.Select Proverbs 22:7
8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.Select Proverbs 22:8
9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.Select Proverbs 22:9
10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.Select Proverbs 22:10
11Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.Select Proverbs 22:11
12Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.Select Proverbs 22:12
13Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.Select Proverbs 22:13
14Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.Select Proverbs 22:14
15Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.Select Proverbs 22:15
16Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.Select Proverbs 22:16
17Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;Select Proverbs 22:17
18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.Select Proverbs 22:18
19Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.Select Proverbs 22:19
20Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,Select Proverbs 22:20
21Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?Select Proverbs 22:21
22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;Select Proverbs 22:22
23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.Select Proverbs 22:23
24Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,Select Proverbs 22:24
25Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.Select Proverbs 22:25
26Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;Select Proverbs 22:26
27Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?Select Proverbs 22:27
28Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.Select Proverbs 22:28
29Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.Select Proverbs 22:29
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain