Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 25

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’ ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda:Select Proverbs 25:1

2Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.Select Proverbs 25:2

3Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.Select Proverbs 25:3

4Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina.Select Proverbs 25:4

5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany.Select Proverbs 25:5

6Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe;Select Proverbs 25:6

7Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao.Select Proverbs 25:7

8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.Select Proverbs 25:8

9Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina,Select Proverbs 25:9

10Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.Select Proverbs 25:10

11Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.Select Proverbs 25:11

12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino.Select Proverbs 25:12

13Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy.Select Proverbs 25:13

14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava.Select Proverbs 25:14

15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.Select Proverbs 25:15

16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.Select Proverbs 25:16

17Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.Select Proverbs 25:17

18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.Select Proverbs 25:18

19Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana.Select Proverbs 25:19

20Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po.Select Proverbs 25:20

21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;Select Proverbs 25:21

22Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.Select Proverbs 25:22

23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika.Select Proverbs 25:23

24Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady.Select Proverbs 25:24

25Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.Select Proverbs 25:25

26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,Select Proverbs 25:26

27Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.Select Proverbs 25:27

28Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.Select Proverbs 25:28

Next: Proverbs 26Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.