Proverbs 26
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.Select Proverbs 26:1
2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.Select Proverbs 26:2
3Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala.Select Proverbs 26:3
4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.Select Proverbs 26:4
5Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izySelect Proverbs 26:5
6Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.Select Proverbs 26:6
7Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.Select Proverbs 26:7
8Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.Select Proverbs 26:8
9Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.Select Proverbs 26:9
10Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.Select Proverbs 26:10
11Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany.Select Proverbs 26:11
12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.Select Proverbs 26:12
13Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.Select Proverbs 26:13
14Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany,Select Proverbs 26:14
15Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy.Select Proverbs 26:15
16Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.Select Proverbs 26:16
17Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.Select Proverbs 26:17
18Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,Select Proverbs 26:18
19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?Select Proverbs 26:19
20Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.Select Proverbs 26:20
21Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.Select Proverbs 26:21
22Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.Select Proverbs 26:22
23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.Select Proverbs 26:23
24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;Select Proverbs 26:24
25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.Select Proverbs 26:25
26Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.Select Proverbs 26:26
27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.Select Proverbs 26:27
28Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.Select Proverbs 26:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain