Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;Select Proverbs 3:1

2Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.Select Proverbs 3:2

3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,Select Proverbs 3:3

4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.Select Proverbs 3:4

5Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;Select Proverbs 3:5

6Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,Select Proverbs 3:6

7Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.Select Proverbs 3:7

8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.Select Proverbs 3:8

9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;Select Proverbs 3:9

10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.Select Proverbs 3:10

11Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;Select Proverbs 3:11

12Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.Select Proverbs 3:12

13Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.Select Proverbs 3:13

14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.Select Proverbs 3:14

15Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.Select Proverbs 3:15

16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.Select Proverbs 3:16

17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.Select Proverbs 3:17

18Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.Select Proverbs 3:18

19Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.Select Proverbs 3:19

20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.Select Proverbs 3:20

21Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,Select Proverbs 3:21

22Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,Select Proverbs 3:22

23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.Select Proverbs 3:23

24Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.Select Proverbs 3:24

25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;Select Proverbs 3:25

26Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.Select Proverbs 3:26

27Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;Select Proverbs 3:27

28Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.Select Proverbs 3:28

29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.Select Proverbs 3:29

30Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.Select Proverbs 3:30

31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,Select Proverbs 3:31

32Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.Select Proverbs 3:32

33Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.Select Proverbs 3:33

34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.Select Proverbs 3:34

35Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.Select Proverbs 3:35

Next: Proverbs 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.