Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 31

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.Select Proverbs 31:1

2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?Select Proverbs 31:2

3Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.Select Proverbs 31:3

4Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;Select Proverbs 31:4

5Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.Select Proverbs 31:5

6Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;Select Proverbs 31:6

7Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.Select Proverbs 31:7

8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;Select Proverbs 31:8

9Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.Select Proverbs 31:9

10Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.Select Proverbs 31:10

11Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.Select Proverbs 31:11

12Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.Select Proverbs 31:12

13Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.Select Proverbs 31:13

14Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.Select Proverbs 31:14

15Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.Select Proverbs 31:15

16Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.Select Proverbs 31:16

17Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.Select Proverbs 31:17

18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.Select Proverbs 31:18

19Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.Select Proverbs 31:19

20Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.Select Proverbs 31:20

21Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.Select Proverbs 31:21

22Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.Select Proverbs 31:22

23Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.Select Proverbs 31:23

24Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.Select Proverbs 31:24

25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.Select Proverbs 31:25

26Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.Select Proverbs 31:26

27Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.Select Proverbs 31:27

28Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:Select Proverbs 31:28

29Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.Select Proverbs 31:29

30Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.Select Proverbs 31:30

31Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.Select Proverbs 31:31

Next: Ecclesiastes 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.