Proverbs 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.Select Proverbs 4:1
2Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.Select Proverbs 4:2
3Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.Select Proverbs 4:3
4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.Select Proverbs 4:4
5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.Select Proverbs 4:5
6Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.Select Proverbs 4:6
7Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.Select Proverbs 4:7
8Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.Select Proverbs 4:8
9Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.Select Proverbs 4:9
10Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.Select Proverbs 4:10
11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.Select Proverbs 4:11
12Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.Select Proverbs 4:12
13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.Select Proverbs 4:13
14Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.Select Proverbs 4:14
15Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.Select Proverbs 4:15
16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.Select Proverbs 4:16
17Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.Select Proverbs 4:17
18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.Select Proverbs 4:18
19Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.Select Proverbs 4:19
20Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.Select Proverbs 4:20
21Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.Select Proverbs 4:21
22Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.Select Proverbs 4:22
23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.Select Proverbs 4:23
24Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.Select Proverbs 4:24
25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.Select Proverbs 4:25
26Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;Select Proverbs 4:26
27Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.Select Proverbs 4:27
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain