Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 6

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,Select Proverbs 6:1

2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,Select Proverbs 6:2

3Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.Select Proverbs 6:3

4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.Select Proverbs 6:4

5Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.Select Proverbs 6:5

6Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;Select Proverbs 6:6

7Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,Select Proverbs 6:7

8Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.Select Proverbs 6:8

9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?Select Proverbs 6:9

10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,Select Proverbs 6:10

11Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.Select Proverbs 6:11

12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,Select Proverbs 6:12

13Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;Select Proverbs 6:13

14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.Select Proverbs 6:14

15Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.Select Proverbs 6:15

16Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:Select Proverbs 6:16

17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,Select Proverbs 6:17

18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,Select Proverbs 6:18

19Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.Select Proverbs 6:19

20Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.Select Proverbs 6:20

21Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,Select Proverbs 6:21

22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.Select Proverbs 6:22

23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,Select Proverbs 6:23

24Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.Select Proverbs 6:24

25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.Select Proverbs 6:25

26Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.Select Proverbs 6:26

27Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?Select Proverbs 6:27

28Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?Select Proverbs 6:28

29Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.Select Proverbs 6:29

30Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;Select Proverbs 6:30

31Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.Select Proverbs 6:31

32Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.Select Proverbs 6:32

33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.Select Proverbs 6:33

34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.Select Proverbs 6:34

35Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.Select Proverbs 6:35

Next: Proverbs 7Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.