Proverbs 8
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?Select Proverbs 8:1
2Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.Select Proverbs 8:2
3Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:Select Proverbs 8:3
4Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.Select Proverbs 8:4
5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.Select Proverbs 8:5
6Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.Select Proverbs 8:6
7Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.Select Proverbs 8:7
8Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.Select Proverbs 8:8
9Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.Select Proverbs 8:9
10Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.Select Proverbs 8:10
11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.Select Proverbs 8:11
12Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.Select Proverbs 8:12
13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.Select Proverbs 8:13
14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;Select Proverbs 8:14
15Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;Select Proverbs 8:15
16Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.Select Proverbs 8:16
17Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.Select Proverbs 8:17
18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.Select Proverbs 8:18
19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.Select Proverbs 8:19
20Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,Select Proverbs 8:20
21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.Select Proverbs 8:21
22Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.Select Proverbs 8:22
23Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.Select Proverbs 8:23
24Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,Select Proverbs 8:24
25Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,Select Proverbs 8:25
26Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.Select Proverbs 8:26
27Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,Select Proverbs 8:27
28Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,Select Proverbs 8:28
29Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,Select Proverbs 8:29
30Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;Select Proverbs 8:30
31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.Select Proverbs 8:31
32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;Select Proverbs 8:32
33Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.Select Proverbs 8:33
34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.Select Proverbs 8:34
35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;Select Proverbs 8:35
36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.Select Proverbs 8:36
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain