Proverbs 9
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;Select Proverbs 9:1
2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;Select Proverbs 9:2
3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:Select Proverbs 9:3
4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:Select Proverbs 9:4
5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.Select Proverbs 9:5
6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.Select Proverbs 9:6
7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.Select Proverbs 9:7
8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.Select Proverbs 9:8
9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.Select Proverbs 9:9
10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.Select Proverbs 9:10
11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.Select Proverbs 9:11
12Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.Select Proverbs 9:12
13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.Select Proverbs 9:13
14Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,Select Proverbs 9:14
15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:Select Proverbs 9:15
16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:Select Proverbs 9:16
17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,Select Proverbs 9:17
18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.Select Proverbs 9:18
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain