Ecclesiastes 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.Select Ecclesiastes 4:1
2Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,Select Ecclesiastes 4:2
3nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory.Select Ecclesiastes 4:3
4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.Select Ecclesiastes 4:4
5Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.Select Ecclesiastes 4:5
6Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.Select Ecclesiastes 4:6
7Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro:Select Ecclesiastes 4:7
8Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.Select Ecclesiastes 4:8
9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.Select Ecclesiastes 4:9
10Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.Select Ecclesiastes 4:10
11Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?Select Ecclesiastes 4:11
12Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.Select Ecclesiastes 4:12
13Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;Select Ecclesiastes 4:13
14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.Select Ecclesiastes 4:14
15Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.Select Ecclesiastes 4:15
16Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.Select Ecclesiastes 4:16
17Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’ Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ ireny ho manao ratsy izy.Select Ecclesiastes 4:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain