Ecclesiastes 6
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ary mitambesatra amin’ ny olona izany:Select Ecclesiastes 6:1
2dia olona izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen’ Andriamanitra fahefana hihinana amin’ izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.Select Ecclesiastes 6:2
3Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.Select Ecclesiastes 6:3
4Fa toa zava-poana no nihavian’ io, ary mandeha ao amin’ ny maizina izy, sady ho voasaron’ ny aizina ny anarany,Select Ecclesiastes 6:4
5ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.Select Ecclesiastes 6:5
6Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin’ ny fitoerana iray ihany va no alehan’ izy rehetra?Select Ecclesiastes 6:6
7Ny fisasarana rehetra ataon’ ny olona dia ho an’ ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.Select Ecclesiastes 6:7
8Fa inona no soa azon’ ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ ny velona?Select Ecclesiastes 6:8
9Ny fahitan’ ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin’ ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.Select Ecclesiastes 6:9
10Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’ izay mahery noho izy.Select Ecclesiastes 6:10
11Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ ny olona?Select Ecclesiastes 6:11
12Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin’ ny masoandro?Select Ecclesiastes 6:12
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain