Skip to content
Church.wiki
Ecclesiastes

Ecclesiastes 7

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.Select Ecclesiastes 7:1

2Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.Select Ecclesiastes 7:2

3Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.Select Ecclesiastes 7:3

4Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana.Select Ecclesiastes 7:4

5Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala.Select Ecclesiastes 7:5

6Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany.Select Ecclesiastes 7:6

7Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.Select Ecclesiastes 7:7

8Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.Select Ecclesiastes 7:8

9Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala.Select Ecclesiastes 7:9

10Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany.Select Ecclesiastes 7:10

11Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany.Select Ecclesiastes 7:11

12Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena.Select Ecclesiastes 7:12

13Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?Select Ecclesiastes 7:13

14Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany.Select Ecclesiastes 7:14

15Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany.Select Ecclesiastes 7:15

16Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?Select Ecclesiastes 7:16

17Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?Select Ecclesiastes 7:17

18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.Select Ecclesiastes 7:18

19Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.Select Ecclesiastes 7:19

20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.Select Ecclesiastes 7:20

21Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;Select Ecclesiastes 7:21

22fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.Select Ecclesiastes 7:22

23Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.Select Ecclesiastes 7:23

24Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?Select Ecclesiastes 7:24

25Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;Select Ecclesiastes 7:25

26ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.Select Ecclesiastes 7:26

27Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.Select Ecclesiastes 7:27

28Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.Select Ecclesiastes 7:28

29Indro, izao ihany no hitako: nataon’ Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.Select Ecclesiastes 7:29

Next: Ecclesiastes 8Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ecclesiastes

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.