Genesis 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.Select Genesis 11:1
2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo.Select Genesis 11:2
3Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.Select Genesis 11:3
4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.Select Genesis 11:4
5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.Select Genesis 11:5
6Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.Select Genesis 11:6
7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.Select Genesis 11:7
8Dia tao no nampielezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.Select Genesis 11:8
9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra.Select Genesis 11:9
10Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano.Select Genesis 11:10
11Ary ny andro niainan’ i Sema taorian’ ny niterahany an’ i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:11
12Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Arpaksada, dia niteraka an’ i Sela izy.Select Genesis 11:12
13Ary ny andro niainan’ i Arpaksada taorian’ ny niterahany an’ i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:13
14Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Sela, dia niteraka an’ i Ebera izy.Select Genesis 11:14
15Ary ny andro niainan’ i Sela taorian’ ny niterahany an’ i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:15
16Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Ebera, dia niteraka an’ i Palega izy.Select Genesis 11:16
17Ary ny andro niainan’ i Ebera taorian’ ny niterahany an’ i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:17
18Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Palega, dia niteraka an-dReo izy,Select Genesis 11:18
19Ary ny andro niainan’ i Palega taorian’ ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:19
20Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’ i Seroga izy.Select Genesis 11:20
21Ary ny andro niainan-dReo taorian’ ny niterahany an’ i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:21
22Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Seroga, dia niteraka an’ i Nahora izy,Select Genesis 11:22
23Ary ny andro niainan’ i Seroga taorian’ ny niterahany an’ i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:23
24Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’ i Nahora, dia niteraka an’ i Tera izy.Select Genesis 11:24
25Ary ny andro niainan’ i Nahora taorian’ ny niterahany an’ i Tera dia sivy ambin’ ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 11:25
26Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Tera, dia niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana izy:Select Genesis 11:26
27Ary izao no taranak’ i Tera: Tera niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’ i Lota.Select Genesis 11:27
28Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana.Select Genesis 11:28
29Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska.Select Genesis 11:29
30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.Select Genesis 11:30
31Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.Select Genesis 11:31
32Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’ i Tera; dia maty tao Harana izy.Select Genesis 11:32
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation