Genesis 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;Select Genesis 12:1
2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;Select Genesis 12:2
3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.Select Genesis 12:3
4Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.Select Genesis 12:4
5Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.Select Genesis 12:5
6Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’ i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.Select Genesis 12:6
7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.Select Genesis 12:7
8Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.Select Genesis 12:8
9Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.Select Genesis 12:9
10Ary nisy mosary teo amin’ ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ ny tany.Select Genesis 12:10
11Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’ i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,Select Genesis 12:11
12ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.Select Genesis 12:12
13Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.Select Genesis 12:13
14Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.Select Genesis 12:14
15Ary nahita azy ny tandapan’ i Farao ka nidera azy tamin’ i Farao; dia nentina tao an-tranon’ i Farao izy.Select Genesis 12:15
16Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.Select Genesis 12:16
17Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.Select Genesis 12:17
18Ary Farao dia nampaka an’ i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?Select Genesis 12:18
19Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.Select Genesis 12:19
20Dia nomen’ i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’ i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra ireo.Select Genesis 12:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation