Genesis 14
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,Select Genesis 14:1
2dia nandeha izy ireo ka nanafika an’ i Bera, mpanjakan’ i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’ i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’ i Adma, sy Semebera, mpanjakan’ i Zeboïma, ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany).Select Genesis 14:2
3Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).Select Genesis 14:3
4Fa efa nanompo an’ i Kedorlaomera roa ambin’ ny folo taona ireo, fa tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo kosa dia niodina izy.Select Genesis 14:4
5Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataimaSelect Genesis 14:5
6ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.Select Genesis 14:6
7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.Select Genesis 14:7
8Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,Select Genesis 14:8
9dia tamin’ Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ ny Goïma sy Amrafela, mpanjakan’ i Sinara ary Arioka, mpanjakan’ i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ ny mpanjaka dimy.Select Genesis 14:9
10Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.Select Genesis 14:10
11Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha.Select Genesis 14:11
12Ary namabo ny zana-drahalahin’ i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.Select Genesis 14:12
13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.Select Genesis 14:13
14Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.Select Genesis 14:14
15Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.Select Genesis 14:15
16Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ ny vehivavy sy ny vahoaka.Select Genesis 14:16
17Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma hitsena an’ i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’ i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.Select Genesis 14:17
18Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.Select Genesis 14:18
19Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;Select Genesis 14:19
20Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.Select Genesis 14:20
21Ary hoy ny mpanjakan’ i Sodoma tamin’ i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.Select Genesis 14:21
22Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,Select Genesis 14:22
23fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’ i Abrama,Select Genesis 14:23
24afa-tsy izay efa nohanin’ ny zatovo sy ny anjaran’ ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ ireo ny anjarany.Select Genesis 14:24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation