Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.Select Genesis 15:1

2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.Select Genesis 15:2

3Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ ny ato an-tranoko no handova ahy.Select Genesis 15:3

4Ary, indro, ny tenin’ i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.Select Genesis 15:4

5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.Select Genesis 15:5

6Ary nino an’ i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.Select Genesis 15:6

7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.Select Genesis 15:7

8Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?Select Genesis 15:8

9Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.Select Genesis 15:9

10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.Select Genesis 15:10

11Ary nidina teo amin’ ny fatin’ ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.Select Genesis 15:11

12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.Select Genesis 15:12

13Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.Select Genesis 15:13

14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.Select Genesis 15:14

15Nefa ianao kosa ho any amin’ ny razanao amin’ ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.Select Genesis 15:15

16Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.Select Genesis 15:16

17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ ireo zavatra voasasaka ireo.Select Genesis 15:17

18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,Select Genesis 15:18

19dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny KadmonitaSelect Genesis 15:19

20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny RefaïtaSelect Genesis 15:20

21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.Select Genesis 15:21

Next: Genesis 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.