Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.Select Genesis 16:1

2Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.Select Genesis 16:2

3Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.Select Genesis 16:3

4Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.Select Genesis 16:4

5Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.Select Genesis 16:5

6Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.Select Genesis 16:6

7Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.Select Genesis 16:7

8Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho.Select Genesis 16:8

9Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.Select Genesis 16:9

10Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.Select Genesis 16:10

11Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.Select Genesis 16:11

12Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.Select Genesis 16:12

13Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?Select Genesis 16:13

14Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.Select Genesis 16:14

15Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela.Select Genesis 16:15

16Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’ Isimaela taminy.Select Genesis 16:16

Next: Genesis 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.