Genesis 21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.Select Genesis 21:1
2Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.Select Genesis 21:2
3Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.Select Genesis 21:3
4Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.Select Genesis 21:4
5Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.Select Genesis 21:5
6Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.Select Genesis 21:6
7Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.Select Genesis 21:7
8Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.Select Genesis 21:8
9Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.Select Genesis 21:9
10Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.Select Genesis 21:10
11Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.Select Genesis 21:11
12Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.Select Genesis 21:12
13Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.Select Genesis 21:13
14Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.Select Genesis 21:14
15Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.Select Genesis 21:15
16Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.Select Genesis 21:16
17Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.Select Genesis 21:17
18Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.Select Genesis 21:18
19Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.Select Genesis 21:19
20Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.Select Genesis 21:20
21Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.Select Genesis 21:21
22Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;Select Genesis 21:22
23koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.Select Genesis 21:23
24Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.Select Genesis 21:24
25Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-kerinySelect Genesis 21:25
26Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.Select Genesis 21:26
27Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.Select Genesis 21:27
28Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.Select Genesis 21:28
29Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?Select Genesis 21:29
30Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.Select Genesis 21:30
31Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.Select Genesis 21:31
32Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.Select Genesis 21:32
33Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.Select Genesis 21:33
34Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.Select Genesis 21:34
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation