Genesis 22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’ Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.Select Genesis 22:1
2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.Select Genesis 22:2
3Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy,Select Genesis 22:3
4Nony tamin’ ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.Select Genesis 22:4
5Ary hoy Abrahama tamin’ ny zatovony: Mijanòna eto amin’ ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.Select Genesis 22:5
6Dia nalain’ i Abrahama ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana ka natataony an’ Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.Select Genesis 22:6
7Ary Isaka niteny tamin’ i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?Select Genesis 22:7
8Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.Select Genesis 22:8
9Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’ i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ ny alitara teo ambonin’ ny kitay.Select Genesis 22:9
10Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.Select Genesis 22:10
11Fa niantso azy Ilay Anjelin’ i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.Select Genesis 22:11
12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.Select Genesis 22:12
13Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ ny zanany.Select Genesis 22:13
14Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’ i Jehovah.Select Genesis 22:14
15Dia niantso an’ i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin’ i JehovahSelect Genesis 22:15
16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,Select Genesis 22:16
17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;Select Genesis 22:17
18ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.Select Genesis 22:18
19Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.Select Genesis 22:19
20Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin’ i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin’ i Nahora rahalahinao,Select Genesis 22:20
21dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain’ i Arama,Select Genesis 22:21
22ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.Select Genesis 22:22
23Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak’ i Milka tamin’ i Nahora, rahalahin’ i Abrahama.Select Genesis 22:23
24Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an’ i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.Select Genesis 22:24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation