Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 25

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.Select Genesis 25:1

2Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.Select Genesis 25:2

3Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.Select Genesis 25:3

4Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.Select Genesis 25:4

5Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.Select Genesis 25:5

6Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.Select Genesis 25:6

7Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.Select Genesis 25:7

8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.Select Genesis 25:8

9Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,Select Genesis 25:9

10dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny.Select Genesis 25:10

11Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy.Select Genesis 25:11

12Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama:Select Genesis 25:12

13Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy MibsamaSelect Genesis 25:13

14sy Misma sy Doma sy MasaSelect Genesis 25:14

15sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.Select Genesis 25:15

16Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny.Select Genesis 25:16

17Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany.Select Genesis 25:17

18Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.Select Genesis 25:18

19Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:Select Genesis 25:19

20Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.Select Genesis 25:20

21Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.Select Genesis 25:21

22Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy.Select Genesis 25:22

23Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.Select Genesis 25:23

24Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.Select Genesis 25:24

25Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.Select Genesis 25:25

26Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy.Select Genesis 25:26

27Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.Select Genesis 25:27

28Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba.Select Genesis 25:28

29Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.Select Genesis 25:29

30Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).Select Genesis 25:30

31Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.Select Genesis 25:31

32Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?Select Genesis 25:32

33Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.Select Genesis 25:33

34Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany.Select Genesis 25:34

Next: Genesis 26Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.