Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?Select Genesis 3:1

2Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana: Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany;Select Genesis 3:2

3fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.Select Genesis 3:3

4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;Select Genesis 3:4

5fa fantatr’ Andriamanitra fa na amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.Select Genesis 3:5

6Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.Select Genesis 3:6

7Dia nahiratra ny mason’ izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’ aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.Select Genesis 3:7

8Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.Select Genesis 3:8

9Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?Select Genesis 3:9

10Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.Select Genesis 3:10

11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?Select Genesis 3:11

12Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.Select Genesis 3:12

13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.Select Genesis 3:13

14Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin’ ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ ny andro rehetra hiainanao.Select Genesis 3:14

15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.Select Genesis 3:15

16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.Select Genesis 3:16

17Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.Select Genesis 3:17

18Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.Select Genesis 3:18

19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.Select Genesis 3:19

20Ary ralehilahy nanao ny anaran’ ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ ny olombelona rehetra.Select Genesis 3:20

21Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’ i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.Select Genesis 3:21

22Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;Select Genesis 3:22

23ka dia nesorin’ i Jehovah Andriamanitra tamin’ ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.Select Genesis 3:23

24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.Select Genesis 3:24

Next: Genesis 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.