Genesis 31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jakoba nandre ny tenin’ ny zanakalahin’ i Labana nanao hoe: Efa lasan’ i Jakoba avokoa izay rehetra nananan’ ny raintsika; ary avy tamin’ ny fananan’ ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.Select Genesis 31:1
2Ary hitan’ i Jakoba ny tarehin’ i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.Select Genesis 31:2
3Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.Select Genesis 31:3
4Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin’ ny ondry aman’ osinySelect Genesis 31:4
5ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin’ ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.Select Genesis 31:5
6Ary fantatrareo fa tamin’ ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.Select Genesis 31:6
7Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan’ Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.Select Genesis 31:7
8Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’ osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’ osy rehetra.Select Genesis 31:8
9Dia nalain’ Andriamanitra ny fananan’ ny rainareo ka nomeny ahy.Select Genesis 31:9
10Ary rehefa mby amin’ ny andro izay nikambanan’ ny ondry aman’ osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin’ ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ ny ondrivavy sy ny osivavy.Select Genesis 31:10
11Ary hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra tamiko tamin’ ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.Select Genesis 31:11
12Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon’ i Labana taminao.Select Genesis 31:12
13Izaho no Andriamanitr’ i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin’ ity tany ity, ka modia any amin’ ny tany nahaterahanao.Select Genesis 31:13
14Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon’ ny rainay?Select Genesis 31:14
15Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.Select Genesis 31:15
16Fa ny harena rehetra izay nalain’ Andriamanitra tamin’ ny rainay, dia anay sy an’ ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain’ Andriamanitra taminao dia ataovy.Select Genesis 31:16
17Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;Select Genesis 31:17
18dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.Select Genesis 31:18
19Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.Select Genesis 31:19
20Ary Jakoba dia nangala-dia tamin’ i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin’ ny handosirany.Select Genesis 31:20
21Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.Select Genesis 31:21
22Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin’ i Labana fa lasa nandositra Jakoba.Select Genesis 31:22
23Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.Select Genesis 31:23
24Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.Select Genesis 31:24
25Ary Labana dia nahatratra an’ i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr’ i Gileada.Select Genesis 31:25
26Ary hoy Labana tamin’ i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ ny sabatra?Select Genesis 31:26
27Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin’ ny fifaliana sy ny hira, amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga,Select Genesis 31:27
28sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.Select Genesis 31:28
29Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.Select Genesis 31:29
30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?Select Genesis 31:30
31Dia namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.Select Genesis 31:31
32Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan’ ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr’ i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.Select Genesis 31:32
33Ary Labana niditra tao an-dain’ i Jakoba sy tao an-dain’ i Lea ary tao an-dain’ ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain’ i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.Select Genesis 31:33
34Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ ny laselin’ ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ ny lay rehetra, fa tsy nahita.Select Genesis 31:34
35Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.Select Genesis 31:35
36Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?Select Genesis 31:36
37Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,Select Genesis 31:37
38Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.Select Genesis 31:38
39Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.Select Genesis 31:39
40Nony antoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.Select Genesis 31:40
41Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin’ ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’ osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.Select Genesis 31:41
42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.Select Genesis 31:42
43Dia namaly Labana ka nanao tamin’ i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman’ osy ireo dia ondry aman’ osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin’ ireto zanako-vavy, na amin’ ny zanany naterany?Select Genesis 31:43
44Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.Select Genesis 31:44
45Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.Select Genesis 31:45
46Ary hoy Jakoba tamin’ ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan’ ny antontam-bato izy rehetra.Select Genesis 31:46
47Ary ny anaran’ ny antontam-bato dia nataon’ i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.Select Genesis 31:47
48Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.Select Genesis 31:48
49Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.Select Genesis 31:49
50Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.Select Genesis 31:50
51Ary hoy indray Labana tamin’ i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;Select Genesis 31:51
52dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.Select Genesis 31:52
53Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.Select Genesis 31:53
54Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,Select Genesis 31:54
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation