Genesis 33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.Select Genesis 33:1
2Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.Select Genesis 33:2
3Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny.Select Genesis 33:3
4Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.Select Genesis 33:4
5Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.Select Genesis 33:5
6Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.Select Genesis 33:6
7Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.Select Genesis 33:7
8Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.Select Genesis 33:8
9Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.Select Genesis 33:9
10Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.Select Genesis 33:10
11Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.Select Genesis 33:11
12Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.Select Genesis 33:12
13Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.Select Genesis 33:13
14Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra.Select Genesis 33:14
15Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.Select Genesis 33:15
16Dia niverina androtrizay Esao tamin’ ny lalany ho any Seïra.Select Genesis 33:16
17Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota.Select Genesis 33:17
18Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.Select Genesis 33:18
19Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.Select Genesis 33:19
20Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.Select Genesis 33:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation