Genesis 35
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.Select Genesis 35:1
2Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;Select Genesis 35:2
3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.Select Genesis 35:3
4Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo.Select Genesis 35:4
5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy.Select Genesis 35:5
6Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.Select Genesis 35:6
7Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’ izany tany izany; fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny.Select Genesis 35:7
8Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’ i Betela, teo ambanin’ ny hazo ôka; ary ny anaran’ io dia nataony hoe Alona-bakota.Select Genesis 35:8
9Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.Select Genesis 35:9
10Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.Select Genesis 35:10
11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao;Select Genesis 35:11
12ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.Select Genesis 35:12
13Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ ilay niresahany taminy.Select Genesis 35:13
14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.Select Genesis 35:14
15Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela.Select Genesis 35:15
16Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.Select Genesis 35:16
17Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.Select Genesis 35:17
18Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.Select Genesis 35:18
19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).Select Genesis 35:19
20Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ ny fasan-dRahely mandraka androany.Select Genesis 35:20
21Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr’ i Migdaledera.Select Genesis 35:21
22Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.Select Genesis 35:22
23Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;Select Genesis 35:23
24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;Select Genesis 35:24
25ary ny zanak’ i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;Select Genesis 35:25
26ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.Select Genesis 35:26
27Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.Select Genesis 35:27
28Ary ny andro niainan’ Isaka dia valo-polo amby zato taona.Select Genesis 35:28
29Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin’ ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.Select Genesis 35:29
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation