Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 40

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.Select Genesis 40:1

2Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.Select Genesis 40:2

3Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ ny trano-maizina izay nifatoran’ i Josefa.Select Genesis 40:3

4Ary Josefa notendren’ ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’ izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ ny trano-maizina izy roa lahy.Select Genesis 40:4

5Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ ny mpanjakan’ i Egypta, izay nifatotra tao amin’ ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.Select Genesis 40:5

6Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.Select Genesis 40:6

7Dia nanontanian’ i Josefa ny tandapan’ i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?Select Genesis 40:7

8Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.Select Genesis 40:8

9Dia nambaran’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka tamin’ i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;Select Genesis 40:9

10ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.Select Genesis 40:10

11Ary teny an-tanako ny kapoakan’ i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ ny kapoakan’ i Farao, dia natolotro teo an-tànan’ i Farao ny Kapoaka.Select Genesis 40:11

12Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.Select Genesis 40:12

13Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’ i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.Select Genesis 40:13

14Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity;Select Genesis 40:14

15fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.Select Genesis 40:15

16Ary rehefa hitan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’ i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;Select Genesis 40:16

17ary teo anatin’ ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’ i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ ny mpanao mofo; ary nohanin’ ny vorona teo anatin’ ny karaba izay nololohaviko izany.Select Genesis 40:17

18Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.Select Genesis 40:18

19Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ ny hazo ianao) dia hohanin’ ny vorona ny nofonao.Select Genesis 40:19

20Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.Select Genesis 40:20

21Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;Select Genesis 40:21

22fa ny lehiben’ ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’ i Josefa tamin’ izy roa lahy avy.Select Genesis 40:22

23Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.Select Genesis 40:23

Next: Genesis 41Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.