Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 46

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitr’ Isaka rainy izy.Select Genesis 46:1

2Ary Andriamanitra niteny tamin’ Isiraely tao amin’ ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.Select Genesis 46:2

3Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.Select Genesis 46:3

4Izaho hiara-midìna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan’ i Josefa no hanirina ny masonao.Select Genesis 46:4

5Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak’ Isiraely nitondra an’ i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ ny sariety, izay efa nampitondrain’ i Farao hitondrana azy.Select Genesis 46:5

6Ary nentin’ izy ireo ny omby aman’ ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:Select Genesis 46:6

7ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.Select Genesis 46:7

8Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:Select Genesis 46:8

9Robena, lahimatoan’ i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary KarmySelect Genesis 46:9

10Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita.Select Genesis 46:10

11Ary ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.Select Genesis 46:11

12Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.Select Genesis 46:12

13Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.Select Genesis 46:13

14Ary ny zanakalahin’ i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.Select Genesis 46:14

15lreo no zanakalahin’ i Lea izay naterany tamin’ i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan’ ny zananilahy rehetra mbamin’ ny zananivavy dia telo amby telo-polo.Select Genesis 46:15

16Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.Select Genesis 46:16

17Ary ny zanak’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin’ ireo; ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela.Select Genesis 46:17

18Ireo no zanak’ i Zilpa, izay nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin’ i Jakoba, dia enina ambin’ ny folo izy.Select Genesis 46:18

19Ny zanakalahin-dRahely, vadin’ i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.Select Genesis 46:19

20Ary ny zanakalahin’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’ i Josefa tany amin’ ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.Select Genesis 46:20

21Ary ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.Select Genesis 46:21

22Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin’ i Jakoba; efatra ambin’ ny folo ny isan’ izy rehetra.Select Genesis 46:22

23Ary ny zanakalahin’ i Dana dia Hosima.Select Genesis 46:23

24Ary ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.Select Genesis 46:24

25Ireo no zanakalahin’ i Bila, izay nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak’ i Jakoba; fito no isan’ izy rehetra.Select Genesis 46:25

26Ny isan’ izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin’ i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ ny zanakalahin’ i Jakoba dia enina amby enim-polo.Select Genesis 46:26

27Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.Select Genesis 46:27

28Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin’ i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin’ ny tany Gosena izy.Select Genesis 46:28

29Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an’ Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ ny vozony.Select Genesis 46:29

30Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Aoka ho faty amin’ izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.Select Genesis 46:30

31Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny sy ny ankohonan’ ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’ i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ ny raiko, izay tany amin’ ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.Select Genesis 46:31

32Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman’ ondry izy; ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.Select Genesis 46:32

33Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: Inona no raharaha fanaonareo?Select Genesis 46:33

34dia izao no havalinareo: Miompy omby aman’ ondry no raharaha fanaon’ ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin’ ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin’ ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.Select Genesis 46:34

Next: Genesis 47Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.