Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ ny tany ka teraka zazavavy maro,Select Genesis 6:1

2dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.Select Genesis 6:2

3Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.Select Genesis 6:3

4Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.Select Genesis 6:4

5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.Select Genesis 6:5

6Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ ny tany, ka nalahelo ny fony.Select Genesis 6:6

7Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.Select Genesis 6:7

8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.Select Genesis 6:8

9Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.Select Genesis 6:9

10Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta.Select Genesis 6:10

11Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;Select Genesis 6:11

12dia hitan’ Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ ny tany.Select Genesis 6:12

13Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.Select Genesis 6:13

14Koa manaova sambo-fiara ho anao amin’ ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.Select Genesis 6:14

15Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.Select Genesis 6:15

16Ary hasianao fidiran’ ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin’ ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy.Select Genesis 6:16

17Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin’ ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ ny tany.Select Genesis 6:17

18Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.Select Genesis 6:18

19Ary ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.Select Genesis 6:19

20Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.Select Genesis 6:20

21Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ ireo koa izany.Select Genesis 6:21

22Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.Select Genesis 6:22

Next: Genesis 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.