Genesis 9
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.Select Genesis 9:1
2Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.Select Genesis 9:2
3Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.Select Genesis 9:3
4Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.Select Genesis 9:4
5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.Select Genesis 9:5
6Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.Select Genesis 9:6
7Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.Select Genesis 9:7
8Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:Select Genesis 9:8
9Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareoSelect Genesis 9:9
10sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.Select Genesis 9:10
11Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.Select Genesis 9:11
12Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:Select Genesis 9:12
13Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.Select Genesis 9:13
14Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,Select Genesis 9:14
15dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.Select Genesis 9:15
16Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.Select Genesis 9:16
17Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.Select Genesis 9:17
18Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.Select Genesis 9:18
19Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.Select Genesis 9:19
20Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.Select Genesis 9:20
21Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.Select Genesis 9:21
22Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.Select Genesis 9:22
23Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.Select Genesis 9:23
24Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.Select Genesis 9:24
25Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.Select Genesis 9:25
26Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.Select Genesis 9:26
27Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.Select Genesis 9:27
28Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.Select Genesis 9:28
29Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 9:29
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation