Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra:Select Exodus 1:1

2Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;Select Exodus 1:2

3Isakara sy Zebolona ary Benjamina;Select Exodus 1:3

4Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.Select Exodus 1:4

5Ary ny isan’ ny olona rehetra naterak’ i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.Select Exodus 1:5

6Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ izany taranaka rehetra izany.Select Exodus 1:6

7Ary ny Zanak’ Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.Select Exodus 1:7

8Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.Select Exodus 1:8

9Ary izy niteny tamin’ ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely efa maro sy mahery noho isika;Select Exodus 1:9

10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.Select Exodus 1:10

11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.Select Exodus 1:11

12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.Select Exodus 1:12

13Dia nampanompoin’ ny Egyptiana fatratra ny Zanak’ Isiraely,Select Exodus 1:13

14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.Select Exodus 1:14

15Ary ny mpanjakan’ i Egypta niteny tamin’ ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ ny anankiray, ary Poa no anaran’ ny anankiray)Select Exodus 1:15

16ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.Select Exodus 1:16

17Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ ny mpanjakan’ i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.Select Exodus 1:17

18Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?Select Exodus 1:18

19Fa hoy ny mpampivelona tamin’ i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.Select Exodus 1:19

20Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.Select Exodus 1:20

21Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy.Select Exodus 1:21

22Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’ i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.Select Exodus 1:22

Next: Exodus 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.