Exodus 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.Select Exodus 11:1
2Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa.Select Exodus 11:2
3Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.Select Exodus 11:3
4Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta,Select Exodus 11:4
5dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.Select Exodus 11:5
6Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.Select Exodus 11:6
7Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.Select Exodus 11:7
8Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.Select Exodus 11:8
9Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.Select Exodus 11:9
10Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.Select Exodus 11:10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation