Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 13

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 13:1

2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.Select Exodus 13:2

3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.Select Exodus 13:3

4Izao andro amin’ ny volana Abiba izao no ivoahanareoSelect Exodus 13:4

5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.Select Exodus 13:5

6Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’ i Jehovah.Select Exodus 13:6

7Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ ny taninao rehetra.Select Exodus 13:7

8Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.Select Exodus 13:8

9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.Select Exodus 13:9

10Dia tandremo amin’ ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.Select Exodus 13:10

11Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,Select Exodus 13:11

12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;Select Exodus 13:12

13ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny olona eo amin’ ny zanakao dia havotanao.Select Exodus 13:13

14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;Select Exodus 13:14

15ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.Select Exodus 13:15

16Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.Select Exodus 13:16

17Ary rehefa nalefan’ i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ ny lalana nankany amin’ ny tanin’ ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.Select Exodus 13:17

18Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.Select Exodus 13:18

19Ary nentin’ i Mosesy niaraka taminy ny taolan’ i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.Select Exodus 13:19

20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.Select Exodus 13:20

21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.Select Exodus 13:21

22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.Select Exodus 13:22

Next: Exodus 14Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.