Exodus 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.Select Exodus 15:1
2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.Select Exodus 15:2
3Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.Select Exodus 15:3
4Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.Select Exodus 15:4
5Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.Select Exodus 15:5
6Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.Select Exodus 15:6
7Amin’ ny halehiben’ ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.Select Exodus 15:7
8Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.Select Exodus 15:8
9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.Select Exodus 15:9
10Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin’ ny rano mahery izy.Select Exodus 15:10
11Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?Select Exodus 15:11
12Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.Select Exodus 15:12
13Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.Select Exodus 15:13
14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;Select Exodus 15:14
15Toran-kovitra ny loham-pirenen’ i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin’ i Moaba; reraka ny fon’ izay rehetra monina any Kanana.Select Exodus 15:15
16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.Select Exodus 15:16
17Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.Select Exodus 15:17
18Jehovah hanjaka mandrakizay doria.Select Exodus 15:18
19Fa niditra teo amin’ ny ranomasina ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina.Select Exodus 15:19
20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.Select Exodus 15:20
21Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an’ i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ ny ranomasina.Select Exodus 15:21
22Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.Select Exodus 15:22
23Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe MaraSelect Exodus 15:23
24Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?Select Exodus 15:24
25Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,Select Exodus 15:25
26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.Select Exodus 15:26
27Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan’ ny rano izy.Select Exodus 15:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation