Exodus 18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary efa ren’ i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’ i Mosesy, izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho an’ i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’ i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.Select Exodus 18:1
2Dia nentin’ i Jetro, rafozan’ i Mosesy, Zipora, vadin’ i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,Select Exodus 18:2
3ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho;Select Exodus 18:3
4ary Eliezera kosa no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ ny sabatr’ i Farao.Select Exodus 18:4
5Dia tonga Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’ i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra:Select Exodus 18:5
6dia nampilaza tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ ny zanany roa lahy koa.Select Exodus 18:6
7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.Select Exodus 18:7
8Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.Select Exodus 18:8
9Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana.Select Exodus 18:9
10Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tànan’ i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ ny Egyptiana.Select Exodus 18:10
11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.Select Exodus 18:11
12Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.Select Exodus 18:12
13Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’ i Mosesy ny olona hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva.Select Exodus 18:13
14Ary rehefa hitan’ ny rafozan’ i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva?Select Exodus 18:14
15Ary hoy Mosesy tamin’ ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’ Andriamanitra.Select Exodus 18:15
16Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’ Andriamanitra sy ny lalàny.Select Exodus 18:16
17Ary hoy ny rafozan’ i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.Select Exodus 18:17
18Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.Select Exodus 18:18
19Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan’ ny olona amin’ Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’ Andriamanitra;Select Exodus 18:19
20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.Select Exodus 18:20
21Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.Select Exodus 18:21
22Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.Select Exodus 18:22
23Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny.Select Exodus 18:23
24Dia neken’ i Mosesy ny tenin’ ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.Select Exodus 18:24
25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.Select Exodus 18:25
26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.Select Exodus 18:26
27Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ ny taniny izy.Select Exodus 18:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation